Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 783 - 802 amin'ny 5482
# Daty Ohabolana Nampiditra
802 26/09/05 Malagasy iray ihany. jentilisa
801 25/09/05 Tsapatsapa vodin'akoho : raha tsy tay dia atody JMR
800 25/09/05 Mitsako tsy re, ka kenda vao hoe domy aho Ranaotra a! JMR
799 25/09/05 Aza atao fitia varavarana, tiana ihany fa atositosika hery
798 25/09/05 Mifankatia amin'ny amalona : ka nony sendra tia, nabolilany hery
797 25/09/05 Anao aho ka mora; fa raha an'olona aho dia sarotra hery
796 25/09/05 Ny fihavanana ohatry ny landy : maty isika, ifonosana; velona itafiana ka ny madilana arahim-panondro hery
795 25/09/05 Nify sy molotra, ka ny mahery no afaka aloha hery
794 25/09/05 Tsy miady sahala, ka hiady, hisy resy hery
793 25/09/05 Rafotsibe mita rano ka izay mahasoa ataon'Andriamanitra hery
792 25/09/05 Andriamanitra tsy omen-tsiny, zanahary tsy omen-pondro fa ny olombelona no be siasia hery
791 25/09/05 Raha foin’ ny vava, tsy misy raorao ; fa hany raoraon’ izany ny lainga hery
790 25/09/05 Ny vava tsy ambina no ahitan-doza hery
789 25/09/05 Ny vava toy ny voro-damba, ka mitsiaka etsy, mitsiaka eroa hery
788 25/09/05 Aza manao sangy mihoatra ny loha, vosotra zary tenany hery
787 25/09/05 Vava soa sakafo, teny ratsy adidy hery
786 25/09/05 Ny teny toy ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra hery
785 25/09/05 Ny teny toy ny ketsa, ka izay mahalana sosohana hery
784 25/09/05 Toy ny trano vaky vovonana, ka mitondra teny mivoaka hery
783 25/09/05 Tsy nandre, sa tailana nandrenesana, no mitondra teny tanora ? hery
First  < 233 234 235 236 237 >  Last