Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 53 - 72 amin'ny 72
# Daty Ohabolana Nampiditra
72 26/06/09 Fotsimbary tsy ilaozan'akatatra, tanàna tsy ilaozan'adala [Rajemisa 1985] maeva74
71 16/09/05 Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahorana. sorom
70 17/09/05 Izay adala no toa an-drainy. jentilisa
69 17/09/05 Ny adalan'ny olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena itafian-damba. jentilisa
68 20/09/05 ny hendry mody voky, ny adala manesika ihany. jentilisa
67 20/09/05 Manandrifindrify tahaka ny tenin'adala jentilisa
66 20/09/05 Vorona azon'adala, na tsy maty aza mifohafoha volo jentilisa
65 20/09/05 tafasirin'adala, ny lasa ihany no averimberina jentilisa
64 28/09/05 Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahorana JMR
63 28/09/05 Aza miady amin'ny adala JMR
62 06/10/05 Adala mandoror trano : ara-dalàna ny firehetany Mandefitra
61 12/10/05 adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body. ftma
60 12/10/05 adala nomen-tanan'ondry: na hosoloina hofany aza tsy mety. ftma
59 24/10/05 Tafasiry amin'ny adala, ka ny lasa ihany no averimberina zouzou
58 24/10/05 adala toy ny zokim-bomanga, ka ny lehibe indray no hosenan-davenona zouzou
57 24/10/05 raha adala lohaolona, dia adala vahoaka zouzou
56 24/10/05 Toy ny soabakaka miaraka aman-tsahahona, ka ny lehibe no adala zouzou
55 29/01/07 Ny adalan'ny hafa iomehezana fa ny an'ny tena tafian-damba latina
54 31/01/07 manana ny adala maha tezi-tarehy latina
53 31/01/07 Manandrifindrify ohatra ny tenin'adala latina
 1 2 3 >  Last