Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 0 - 19 amin'ny 19
# Daty Ohabolana Nampiditra
19 19/09/05 Raha maty aho matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby. jentilisa
18 21/09/05 Aza manao ranomaso tsy miaraka amam-paty Vetso
17 30/09/05 ny fahafatesana tsy manisa ny aina efa matiny. jentilisa
16 30/01/07 aza manirina omon-tsy afaka aina latina
15 20/03/07 Aleo maty mitsangana toy izay velon-kandady. lanto
14 03/05/07 Zara hetra ny fahafatesana ka samy mandray ny anjarany. aivetinakely
13 14/05/07 Tsy misy malahelo tahaka ny maty vady fa rehefa manitsaka afo, mihinjaka ihany. aivetinakely
12 20/07/07 Tany ikafaran-kilevenana;vady tsy tian-kianterana niryna
11 20/09/07 Ny tompony mahazaka ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka niryna
10 28/09/07 Maty mangina toy ny otrik'afo niryna
9 10/12/07 Aza manao fatin-dalitra ka maty mitety ratsy, fa manaova fatin- tantely ka maty mamela mamy ho an'ny fokonolona niryna
8 08/01/08 Raha ho faty aho matesa rahavana! Raha ho faty rahavana matesa ny omby! sylvoalias
7 25/09/10 Gny hafady marary tsy misy, ka gny halofo faty ka misy. (Ohabolana BETSIMISARAKA) soanja
6 26/09/10 Enti-maty toy ny tarehy. soanja
5 04/10/10 Ny fasana, Andriamanantena; fa ny olona kosa, Andrianantenaina. soanja
4 04/10/10 Tsy hitanareo va ny maty? Tatarobe miefi-damba, misaron-doha tsy ho aiza. Maraina tsy mba mifoha, hariva tsy mba mamindro; tany mena no ambny tratra, rari-vato no an-dani-mandry. soanja
3 04/10/10 Ny maty handry toy ny vovoka, fa ny velona hihinana toy ny olona. soanja
2 04/10/10 Niolaka ny vato aho, novatoiny; niolaka ny hazo aho, nohazoniny; may Ikakibe vao navelany aho. soanja
1 04/10/10 Tiatia ny takona , ka diso ny avaratry ny fasana. soanja