Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 180 - 199 amin'ny 219
# Daty Ohabolana Nampiditra
199 10/05/07 Alraho ny torohevitry ny lahy antitra rehefa nahafoiny ny fahazaran-dratsiny. niryna
198 10/05/07 Ny fandefasana eritreritra no zava-dehibe noho ny fahalalana niryna
197 21/05/07 Raha olona iray no tsy tia ahy, mitoto koba aho hatavy;raha ny be sy ny maro no tsy tia ahy, hisotro tsingala aho ho faty. niryna
196 21/05/07 Raha miady ny ahy sy ny azy, tsy naleon'ny naterany. niryna
195 21/05/07 Raha monina anosy, lavitra 'olon-kiresahana. niryna
194 21/05/07 Velona iray trano, maty iray fasana toy ny olombelona niryna
193 21/05/07 Matety mpihavy toa sotrokely niryna
192 23/06/07 Ataovy izay zavatra fantatrao fa tsy vitanao. niryna
191 23/06/07 Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofanana niryna
190 23/06/07 Tsy misy boribory toy ny tain'ondry fa raha latsaka an-tany misy kitsambony. niryna
189 28/06/07 Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa, fa ny endry kosa manindry fo niryna
188 20/07/07 Toy ny andevolahy miandry faty, ka izay mahery vava no lohany. niryna
187 15/09/07 Tsara kokoa ny irery tsy arahan-dramoromo toy izay mpinama roa miady lava niryna
186 15/09/07 Ny vava tsy voatandrina ahitan-doza, ka na ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany. niryna
185 15/09/07 Mahay lamba mitafy raha niryna
184 15/09/07 Malaza tsy hihinana toy ny viliantsahona niryna
183 15/09/07 Ny antonony sarotra ilaina niryna
182 15/09/07 Raha hendry hianao dia hendry ho an'ny tenanao ihany, raha maditra hianao dia hianao irery no hiharan'izany niryna
181 24/09/07 Ny fifosana no manimba ny mpiara-monina, fadio ny olona be resaka niryna
180 24/09/07 Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo niryna
 < 1 2 3 4 >  Last