Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 143 - 162 amin'ny 202
# Daty Ohabolana Nampiditra
162 16/04/06 Fihavana-molotra, tezitra vao mifanantona. Fihavanan'alika, tezitra vao mivanika. RALANTO
161 25/05/06 Tsy misy tombo sy hala: fa ny iray vy nahitana, ary ny iray angady nananana rapala
160 07/09/06 I zoky ve no manitra voninkazo sa i zandry no manitra ravinkazo no manitra andriana izany trano? Tsy i zoky no manitra ravinkazo na i zandry no manitra ravinkazo fa ny fitiava-namana no betsaka ka manitra andriana izany trano! bozycate
159 06/11/06 Toy ny rano sy vary ka an-tsaha tsy misaraka, am-bilany tsy mifanary vato
158 13/11/06 Ny vala tsa mba seragnana, fa ny fo tea ro mihilagna bileda
157 29/01/07 Tsy kivy tsy ketraka ka homan-kena tsy lasam-bidy latina
156 29/01/07 Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: hatonina, manalavitra, halavirina, manatona latina
155 29/01/07 Ny fihavanana toy ny fasam-Bazimba, ka izay mandrava aloha no kely ila. latina
154 29/01/07 Ny fihavanana ohatra ny famoriana tain'omby: ka izay mahavezivezy no mahafeno harona aloha latina
153 29/01/07 Ny fihavanana ohatra ny landy: maty isika, ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro. latina
152 29/01/07 Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka, ary raha ketrahina, miboraka. latina
151 29/01/07 Fihavanan'ny Mamoladahy: tsy mihavana roa taona. latina
150 29/01/07 Ny fihavanana aza atonao toy ny jiafotsy: intelo asampina ka mievotra ihany. latina
149 29/01/07 Toy ny jaka: tsy hanin-kahavoky, fa nofon-kena mitam-pihavanana. latina
148 29/01/07 Ny kary aza mitsaoka amin'Andriampatsa mahazo, ka indrindra fa ny havana. latina
147 29/01/07 Anao aho ka mora; fa raha an'olona aho dia sarotra. latina
146 29/01/07 Mpisakaiza to mpiombon-dray, mpifankatia toa mpiombon-dreny latina
145 29/01/07 Raha revom-potaka, rano no manala, raha revon-teny, vava no manala, raha revon'alahelo, ny havana no itarainana. latina
144 29/01/07 Faly raha tonga ny rano fanala kenda, raha malahelo ka misy mpanony, raha lavo ka misy mpanarina latina
143 29/01/07 Ny fo tsy mandringa, ka raha mandalo aho mitsidika ihany. latina
 < 1 2 3 4 5 >  Last