Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 238 - 257 amin'ny 317
# Daty Ohabolana Nampiditra
257 29/01/07 Aza manao fitia rano trambo: be fihavy, ka mora lasa. latina
256 29/01/07 Aza manao fitia paraky, ka hatreo am-bava no ho miakatra ihany. latina
255 06/02/07 anambadian-ko namana, iterahan-ko dimby latina
254 06/02/07 Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana: ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendra ny lohaliny latina
253 06/02/07 zava-tsy zaka ny fanambadian-tery setra latina
252 06/02/07 fanambadian-tery setra dia ranomaso mivalana an-tava ihany latina
251 06/02/07 Ny mitovitovy dia mivady, ny kely sy lehibe dia mianaka latina
250 06/02/07 Tsy misy tsara oahtra ny fanmbadiana mifanaraka latina
249 06/02/07 Tsy misy sambatra ohatra ny fanambadian-tsitrapo latina
248 06/02/07 Mpivady iray lainga ka faty no isarahana latina
247 06/02/07 Tampotampohin'ny manam-bady Raketaka ka misambo-balala hariva latina
246 06/02/07 Asesiky ny fitia sy ny hanina azy, ka tsy mahalala masoandro ho faty latina
245 06/02/07 Ranadram-bao maha taitra (na randram-bao mitaon-dahy) latina
244 06/02/07 natao anadahy hiankinana, kanjo misikidy ho vady latina
243 06/02/07 Izaho tsy manambady afa-tsy rainisambaina latina
242 06/02/07 zatovo miavon-tsahala ka tratry ny akory izao! latina
241 06/02/07 tiam-bady ka mahay miresaka latina
240 06/02/07 Izay manjo vady, manjo tena latina
239 06/02/07 Ny tokantrano tsy ary mitovy latina
238 06/02/07 Ny fitia toy ny ketsa, ka raha afindra dia maniry latina
First  < 2 3 4 5 6 >  Last