Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 20 - 39 amin'ny 39
# Daty Ohabolana Nampiditra
39 20/09/05 mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka jentilisa
38 22/09/05 Toy ny mpamosavy tsy mba mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana jentilisa
37 22/09/05 mpamosavy namosavy boka ka matin'ny olon-dratsy ny olo-tsy vanona. jentilisa
36 22/09/05 Aza faly am-panaovan-dratsy toa mpamosavy jentilisa
35 22/09/05 tsy tia maro toa mpamosavy jentilisa
34 27/09/05 Mpamosavy milevina amoron-dalana, mahatantesa ny valin-kitsaka JMR
33 29/09/05 Mpamosavy malemy ka ny an-trano ihany no asiana JMR
32 19/08/06 mpamosavy tsy masina antaniny dadabe
31 29/01/07 Fatra-piahy mpamosavy; fatra-pifehy trano fangalarina latina
30 29/01/07 Lambamena nenti-nanitsaka, ka babon'ny mpisambotra. latina
29 29/01/07 mpamosavy namosavy boka, ka matin'ny olon-dratsy ny olon-tsy vanona. latina
28 29/01/07 Potraka am-baravarana toa mpamosavy latina
27 29/01/07 aza faly am-panaovan-dratsy toa mpamosavy latina
26 29/01/07 Mpamosavy mandalo fasam-bao: zava-panao ka tsy aritra latina
25 29/01/07 Ny mpamosavy aza mivoaka misasaka alina dia hita ihany, ka indrindra fa izay manao ratsy atoandro latina
24 29/01/07 itony mpamosavy tsy mivovo mba handosirana, ary tsy maniry tandroka mba hiviliana latina
23 29/01/07 Manao ho akan'ny alina, ka misavily sandry maizim-bolana. latina
22 29/01/07 Mpamosavy nalevina an-dalana, ka ny valin-kitsaka no miverina latina
21 29/01/07 Mpamosavy natakalo omby mahery: lasa ny loza, fa tonga ny atambo. latina
20 29/01/07 raha mpamosavy azo nanitsaka, ataovy toy ny anana, ka raha maniry, tsongoy latina
 1 2 >