Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 14 - 33 amin'ny 53
# Daty Ohabolana Nampiditra
33 25/07/09 Rano an-tambo, tsara anarana fe milaza loza. aivetinakely
32 05/12/06 sarotra tiavina toa rano mangatsiaka sotroina be loatra mankarary kibo gozonel
31 27/04/07 Aza manao tahaka ny ranon'Ikopa, tonga namana vao mavomavo. aivetinakely
30 27/04/07 Ny ela nonenana amoron-drano mahita ny marivo hirobohana, ny ela nonenana amoron'ala mahita ny mahitsy hokapaina aivetinakely
29 28/04/07 Mpivaro-drano tratr'orana, ka tratry ny nataony ihany aivetinakely
28 28/04/07 Sahobakàka ambodiriana, tsara toerana fa be tebiteby. aivetinakely
27 04/05/07 Reniranon'i Betsiboka, tondraka sasak'alina fa ritra maneno akoho. aivetinakely
26 04/05/07 ny vehivavy dia tokam-po tahaka ny siny, tsy manampo afa-tsy rano. aivetinakely
25 07/12/07 Ny rano am-parihy, hono, no fanovo amin-jinga, ny vary no fitoto an-daona, ary ny sompitra ambany rihana no miantoka ny taon-tsarotra. aivetinakely
24 07/12/07 Ikopa no renirano malaza, ampian'ny tatatra arivo saha, ny foto-kazo no midoroboka, ny sampany sy ny rantsany no misandrahaka. aivetinakely
23 07/12/07 Tari-drano ankilahila, ny mania no betsaka. aivetinakely
22 22/01/09 Kapain-tsy hita fery tahaka ny rano ny lehilahy aivetinakely
21 07/02/09 Be tsy mahafaka hetaheta tahaka ny ranomasina. aivetinakely
20 03/03/09 Mpivaro-drano tratr'orana ka tratry ny nataony ihany. aivetinakely
19 25/02/10 sotro ranon'ny mahantra tsy ala hetaheta fa fanampi-tsakafo bemena
18 08/09/10 Tari-drano ririnina ka miainga amin'ny toerany fa tsy tonga amin'izay hilana azy. soanja
17 08/09/10 Zatra ankararana ka tsy vitan'ny an-tsiririka. soanja
16 08/09/10 Alika mitsaba-doharano ka tsy hetaheta fa hasomparana. soanja
15 08/09/10 Tovovavy miady an-tanana ka tsy avelan'ny fantsakana tsy hiray. soanja
14 08/09/10 Ny dobo tsy hita no mahamanina, fa rehefa hita sahala ihany. soanja
 < 1 2 3 >