Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 86 - 105 amin'ny 145
# Daty Ohabolana Nampiditra
105 25/09/05 Ny teny toy ny ketsa, ka izay mahalana sosohana hery
104 25/09/05 Ny teny toy ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra hery
103 25/09/05 Vava soa sakafo, teny ratsy adidy hery
102 25/09/05 Aza manao sangy mihoatra ny loha, vosotra zary tenany hery
101 25/09/05 Ny vava toy ny voro-damba, ka mitsiaka etsy, mitsiaka eroa hery
100 25/09/05 Ny vava tsy ambina no ahitan-doza hery
99 25/09/05 Raha foin’ ny vava, tsy misy raorao ; fa hany raoraon’ izany ny lainga hery
98 26/09/05 Ny teny malefaka mahamora harena jentilisa
97 26/09/05 Tsy nandre sa tailam-pandrenesana no mitondra teny tanora? jentilisa
96 26/09/05 teny miakatra ifampierana, teny midina ifampifehezana jentilisa
95 26/09/05 Ny teny toy ny tori-hisatra ka tsy ilaozan'ny manjilatra jentilisa
94 26/09/05 Miteny ny iray toa novankonina, miteny ny hafa toa nampalesina. jentilisa
93 26/09/05 ...nefa raha diso aho dia aza ny tenako no ariana fa ny teniko no ario jentilisa
92 28/09/05 Tsy ny teny no ratsy fa ny sainao no tsy tsara JMR
91 29/09/05 ny teny toy ny atody ka raha foy manan'elatra sasa
90 29/09/05 ny teny tsy mazava tsy hita fototra jentilisa
89 29/09/05 Ny teny toy ny fonosana, izay mamono no mamboraka jentilisa
88 01/10/05 Aza manao teny tsy loa-body JMR
87 09/10/05 Ny teny toy ny atody raha fohy manan'elatra mandrindra
86 09/10/05 Ny teny toy ny tsinay raha rohitina mahafeno tay mandrindra
 < 1 2 3 4 5 >  Last