Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 259 - 278 amin'ny 278
# Daty Ohabolana Nampiditra
278 17/09/05 Na amboako na amboan'olona rehefa vandana dia kary jentilisa
277 27/07/09 Ny ratsy mora ianarana fa ny tsara saro-takarina Corice
276 30/09/05 Ny tarehy ratsy tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ovana jentilisa
275 25/07/09 Vanda-miamboho toa mpihatsaravelatsihy, ny fihodin'ny masony no amantarana azy. aivetinakely
274 30/11/05 Takatra amorom-parihy tsy matory fa miery fanahy Malalason
273 24/01/06 boka mangala_boatavo mifampitolona samy malama dadou
272 09/03/06 Raha laza no ilaina, tsy ny ditra no hifaninanana ! tsikomen
271 29/01/07 Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy ka ratsy fanahy. latina
270 29/01/07 Ny atao toy ny salaka: soa atao, manodidina, ratsy atao manodidina latina
269 29/01/07 Ny hery tsy mahaleo ny fanahy latina
268 29/01/07 Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy latina
267 29/01/07 Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa. latina
266 29/01/07 Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana: tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay. latina
265 29/01/07 Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo: tsy maty, fa malazo. latina
264 29/01/07 Izay mahavangivangy tian-kavana, ny malemy fanahy tratra am-parany. latina
263 29/01/07 Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana, ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana. latina
262 29/01/07 Tsy nisy soa ohatry ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho. latina
261 29/01/07 tsara hateloana ohatra ny volom-bava haratana latina
260 29/01/07 Ny kibo no be eritreri-dratsy, ka ny vava no mahazo loza latina
259 29/01/07 akofam-bary, tsy menatra izay hiankandrefana latina
 1 2 3 >  Last