Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 19 - 38 amin'ny 58
# Daty Ohabolana Nampiditra
38 06/02/07 manao tolon'ilaikavia: ny an-ilany tsy lavo, ny an-ilany tehafi-maso latina
37 06/02/07 Ny ondry voatsipy taolana, ary ny amboa voatsipy vilona: tao ihany fa nifanolana latina
36 06/02/07 Tefi-vilian-dRainiraony: ny an'olona novonjeny, ka ny an'ny tena no atao tofefi-katoka latina
35 06/02/07 voly voanjon-dRakaretsaka: ny an'ny tena tsy vita, ka ny an'olona no karetsahina latina
34 06/02/07 aza manetriketrika ny an'olona, fa rehefa masaka batain'ny tompony latina
33 06/02/07 Aza mety atao fantaka fanolehan-tsarika latina
32 06/02/07 aza mandoa lasiray raha voa famaky latina
31 06/02/07 Milomano mivalana (na miorika) ka manabe vava ny ony latina
30 06/02/07 Manihika an-tanety ka androngo no azo latina
29 06/02/07 mamatotra akoho an-kady ka mankasika ny kary latina
28 06/02/07 fotsim-bary natao an-karom-boatokana: very sasaka, very fahatelo. latina
27 06/02/07 nahoana no tompon-tany mantsaka ranom-potaka? latina
26 06/02/07 Mizo-poana toa omby vonoina latina
25 06/02/07 Tsy mahalala izay varavaran-kodiavina ohatra ny akoho amidy ao an-tsena latina
24 06/02/07 Lolo fotsy mitono tena ka matin'ny nahim-pony latina
23 06/02/07 vivy manitrika ka bongo mason'ny nahiny latina
22 06/02/07 Ombilahy mifaoka am-botry ka mavon'ny nataony latina
21 06/02/07 matim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan'ny sotro latina
20 06/02/07 Matin-kanin-kely toa amalona latina
19 06/02/07 Ny manao soa tsy mba mahafaty antoka, fa ny manao ratsy enjehin'ny nataony latina
 < 1 2 3 >