Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 11 - 30 amin'ny 50
# Daty Ohabolana Nampiditra
30 04/05/07 Valolahin'Ambohimanga, mitanina andro tsy hàraka, milevina tsy lo. aivetinakely
29 24/06/07 Vatolahin'Ambohimanga, mitanina andro tsy haraka, milevina tsy lo. aivetinakely
28 07/12/07 Ny miloloha vato tsy mihalana, hono, mankarary an-doha ; ny matory tsy milafika mankarary tehezana. aivetinakely
27 09/04/08 Vato roa mifanila, ny lehibe tsy manome toerana, ny kely tsy mangataka afa-mangataka. aivetinakely
26 22/01/09 Aza atao vato atsindry hazana, ka atsipy rehefa maloka ny andro aivetinakely
25 22/01/09 Vatovory andohamandy ka mampitaintaina ny kely anaka aivetinakely
24 29/01/09 Vatokely anaty lalana, tsy fandrika fa hanotra ny tsy hitan'ny mpitsabo. aivetinakely
23 11/02/09 Aza mba be tsy miteny tahaka ny vato fa itaingenam-borona. aivetinakely
22 11/02/09 Mifandova toetra tahaka ny vato, be tsy miteny, kely tsy mivolagna. aivetinakely
21 24/02/09 Vato ambava-fitàna, tsy safidy fa adidy amin'ny fiaraha-monina. aivetinakely
20 25/02/09 Mijoro tsy amin'ahiahy tahaka ny vatolahy tompoina. aivetinakely
19 12/03/09 Vato mikodia ka mandositra ny lobolobo niafenana. aivetinakely
18 05/04/09 Raha ianao vatokely manafintohina, ny aty vatolampy ampy handihizan'ny varatra. aivetinakely
17 21/04/09 Aza atao vato antsindry hazana aho ha atoraka rehefa maloka andro. aivetinakely
16 21/04/09 Ataovy toy ny vato andohampasana ka na kely aza manan-kasina. aivetinakely
15 21/04/09 Vatokely antsisin-dalana, tsy miandry anao hitodika fa miantso anao hitandrina famindra. aivetinakely
14 21/04/09 Vatobe hobataina, ny ôsika ihany no mampalaky azy. aivetinakely
13 21/04/09 Vato borobory mikodia, tsy hafainganam-pandeha fa fitadiavana tany marin-drano. aivetinakely
12 21/04/09 Vato atao fototra trano, tsy ny hatsaràny ihany no kendrena fa ny toerana niaviany. aivetinakely
11 12/10/09 Tapi-dalan-kaleha sahala amin'ny sokona nanani-bato razozy
 < 1 2 3 >