Ohabolana nampidirin'i aivetinakely

Search ohabolana
Mampiseho ny 763 - 782 amin'ny 802
# Daty Ohabolana Nampiditra
782 31/08/09 Katsaka anaty lapoaly ka izay tsy mahatanty mipitika aloha. aivetinakely
781 31/08/09 Amberivatry maniry amin'ny tany mena ka tsy maintsy maka volon-tany. aivetinakely
780 31/08/09 Katsaka maniry an-tanety na baby tokana aza tsy misy. aivetinakely
779 18/08/09 Samy miana-mandeha ka izay miraingiraingy no potraka aloha. aivetinakely
778 18/08/09 Aza mampalahelo vehivavy, fa Andriamanitra no miady ho azy. aivetinakely
777 18/08/09 Zanaka sy ray aman-dreny, tambazako izay mahafoy. aivetinakely
776 18/08/09 Fom-behivavy tsy hay fitahina, na tsy mamaly izy ny vaingan-dranomasony iray vidin-dafo. aivetinakely
775 18/08/09 Manao torin'akoho, atao am-pitsanganana ihany no sady mikimpy maso tokana. aivetinakely
774 18/08/09 Mangina manan-draha manahirana tahaka ny moana tia. aivetinakely
773 18/08/09 Fitia voazara, ny maharitra no tompony. aivetinakely
772 18/08/09 Vazon'ny tan-tsambo, ny ako sisa mampita. aivetinakely
771 11/08/09 Lehilahy tia mampirafy, tsy hendry raha tsy lany harena. aivetinakely
770 11/08/09 Akanga miara-dia, tsy fantatra izay ray aman-dreny. aivetinakely
769 11/08/09 Adala misafidy, tsy ny tsara no raisina fa izay manintona. aivetinakely
768 11/08/09 Adala toa valalan'amboa, mitsipika mandrak'antitra. aivetinakely
767 11/08/09 Mivadika tahaka ny lohalik'alika, any aoriana indray no misy azy. aivetinakely
766 09/08/09 Za-dratsin'ny mangalatra, ka nony farany mifanena amin'ny mpaka kitay. aivetinakely
765 09/08/09 Teraka omby fahavaratra ka sady lalao no harena. aivetinakely
764 09/08/09 Very tadidy tia tantara ka ny andraso andraso no be. aivetinakely
763 09/08/09 Miandra, miondrika tahaka ny vitsy, tsy lamaody fa tahotra fahavalo. aivetinakely
 < 1 2 3 4 >  Last