Ohabolana nampidirin'i latina

Search ohabolana
Mampiseho ny 418 - 437 amin'ny 497
# Daty Ohabolana Nampiditra
437 06/02/07 natao anadahy hiankinana, kanjo misikidy ho vady latina
436 06/02/07 Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolanolana latina
435 06/02/07 Ranadram-bao maha taitra (na randram-bao mitaon-dahy) latina
434 06/02/07 Ny lahy mamindra intelo ka mahazo hevitra, ny vavy miondrika inefatra vao mahazo ny azy. latina
433 06/02/07 Asesiky ny fitia sy ny hanina azy, ka tsy mahalala masoandro ho faty latina
432 06/02/07 Tampotampohin'ny manam-bady Raketaka ka misambo-balala hariva latina
431 06/02/07 Mpivady iray lainga ka faty no isarahana latina
430 06/02/07 Tsy misy sambatra ohatra ny fanambadian-tsitrapo latina
429 06/02/07 Tsy misy tsara oahtra ny fanmbadiana mifanaraka latina
428 06/02/07 Ny mitovitovy dia mivady, ny kely sy lehibe dia mianaka latina
427 06/02/07 fanambadian-tery setra dia ranomaso mivalana an-tava ihany latina
426 06/02/07 zava-tsy zaka ny fanambadian-tery setra latina
425 06/02/07 Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana: ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendra ny lohaliny latina
424 06/02/07 anambadian-ko namana, iterahan-ko dimby latina
423 06/02/07 Aza manao amboa ditsoka (na dian'omby jamba) latina
422 06/02/07 aza manao levenam-bola tandrifin'ny masoandro latina
421 06/02/07 aza manao ombilahin'Ihosy: ampiadin-tsy miady, ampihosen-tsy mihosy, hanin-kena mafy hena, avela ihany, manoto ny madinika. latina
420 06/02/07 aza manao sain-jaza maroroka latina
419 06/02/07 Manao rafi-maroroka ka malaky mirodana latina
418 06/02/07 Mahita volana alohan'ny biby latina
First  < 2 3 4 5 6 >  Last