Ohabolana nofidina

Hoy ny akoho mikotrika: nokobaniny tany am-poto-tsofiny lahy ny atodiko; nefa ny mikiakiaka mbola ho zaza, ary ny mikobana efa lamokany.

Nampidirin'i : jentilisa

Hevitra mandeha

agmar (18/12/2007 10:15:33)

Niaritra ny mafy ireo reniakoho mikotrika atody ireo. Manantena anefa izy fa ho akoholahy (Izany hoe: ho ilay tena tsara)ny zanany,araka ny fanamafisan'ny Mpitily rahateo.Faniriana ihany izany, fa ny tena zava-marina tsy azo lavina, rahefa vita ny fitiliana natao, dia hoe: izay mikobana dia efa lamokany, ary izay tsy mikobana dia mety ho lahy, mety ho vavy.

jentilisa (22/09/2005 16:33:17)

Fanaon'ny olona ny manontsana ny atody eny am-poto-tsofiny hihainona na efa lamokany na mety ho foy ireny, rehefa mividy koa isika dia heoina sao efa lamokan'atody toy ny rano no heno fa tsy mafonja fonja ilay izy.

Eto koa dia azo heverina ny hoe izay mikiaka (mijaly) no tena vanona fa izay mikobana (mirehareha) tia sehoseho efa lamokany araka izany ihany. Io koa moa tonga amin'ilay fiteny hoe ny tapany ihany no mikobana e!

Hametraka hevitra

Midira aloha