Ohabolana nofidina

Ny fahafatesana dia lalan-kiraisana fa tombon-dalana kosa ho anny lasa.

Nampidirin'i : sylvoalias

Hevitra mandeha

sylvoalias (20/11/2007 18:15:37)

vovoka ianao ka vovoka ihany koa noa no hiafarana.Raha ohatra velona mandrakizay ny zavaboahary dia angamga rehefa kelikely dia tsy ho omby eto ambonin"ny tany isika rehetra.Teraka isanandro ny olombelona ary mba hisian"ny fifandanjana dia tsy maintsy misy kosa ny tsy maintsy mandao.
Izany ny natiora iainana koa tsy maintsy mionona amin"izany ny tsirairay.Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy handao ity tany ity ny tsirairay.Mafy sy marary ny fahoriana tsapan"ny fianakaviana manaman-jo nefa dia tsy mionona amin"ny lalanan"ny fiainana. Ka dia "tombon-dalana ny an"ireo lasa fa ny fahafatesana kosa dia lalan-kiraisana."
Ravelotsalama

Hametraka hevitra

Midira aloha