Ohabolana nofidina

Trafo-kena ome-mahery ka ambava homana am-po mieritreritra

Nampidirin'i : kiriah

Hevitra mandeha

soanja (03/09/2010 04:32:44)

Taloha elabe dia nihinana razana (ireo maty) tokoa ny razantsika nohon'ny finoany fa tsy tiany hiala eo aminy ny tiany fa mbola hitoetra ao aminy ka handray ny toeran'ny rany ao anatiny. Sarotra be ny manaiky izany saingy izay no lova noraisintsika tamin'ireo razantsika avy any ampitan-dranomasina. Mbola misy foko any ho any tsy azoko lazaina eto izay mbola manao izany eto Madagasikara.

kiriah (03/09/2010 01:46:39)

Tamin ny andro taloha rehefa miaboho(maty) ny andriana ,na koa ireo olona manakarena, dia diovina tanteraka ny ao anatin ny kibony mba hitehirizana ny vatan ny razana hateza kokoa; ny MAHERY no miandraikitra izany raharaha sarotra izany( tovolahy velon-dray aman-dreny ,ary tsy manan-kilema), ka rehefa voadio ny razana dia rosoana TRAFOKENA ny MAHERY ,arakin ny FOMBA anefa dia tsy mahazo manasa tanana ny MAHERY fa tonga dia mandray sakafo avy hatrany, tsy maintsy raisin-tanana ihany koa ny TRAFOKENA. eo indrindra no miditra an-tsehatra io ohabolana io : " TRAFOKENA OME-MAHERY TOKINAO IHINANA AZY "

kiriah (03/09/2010 01:46:14)

Hametraka hevitra

Midira aloha